Faha 65 taonan’ny Repoblika, 5 taona nijoroan’ny Bâtir la République (B.R.) : fananganana ny Repoblika fahadimy.

Madagasikara dia nisafidy ny endriky ny fitondrana izay avy amin’ny vahoaka ny fahefana ary nampindramin’izy ireo ho tantanan’ny  olom-boafidy : ny Repoblika. Ny teny hoe « repoblika » dia avy amin’ny teny latina « Res publica », izay midika hoe « fananan’ny daholobe » na “fananam-bahoaka”. Ny Repoblika Voalohany teto Madagasikara dia teraka tamin’ny 14 Oktobra 1958 izay nalaina tahaka tamin’ny Repoblika fahadimin’ny frantsay. Taty aoriana, nisy tranga maro izay nahatonga ny fanovana  io lalam-panorenana io ka niteraka  ireo  repoblika maro nifandimby. Ny farany dia tamin’ny 11 desambra 2010 nandritra ny tetezamita, izay narahan’ny fifidianana filohan’ny Repoblika tamin’ny taona 2013, ka nahalany an’i Hery Rajaonarimampianina ho filohan’ny Repoblika faha-efatra.

Philibert Tsiranana – Filohan’ny Repoblika Voalohany

Ny endriky ny Repoblika dia mety miovaova arakaraky ny firenena, miankina amin’ny lalam-panorenany sy ireo rafi-pitantanana misy ao aminy : mety antsoina hoe repoblika entim-bahoaka, na koa hoe demokratika toy ny an’i Madagasikara tamin’ny Repoblika faharoa. Ankoatr’izay, ny repoblika koa dia mety manana karazam-pitantanana isan-karazany: rafi-pitondram-panjakana manome vahana ny filoham-pirenena, rafi-pitondram-panjakana manome vahana ny parlemantera, na ny rafi-pitondram-panjakana  eo anelanelany, toa ny an’i Madagasikara.

Eo amin’ny fanavaozana rafi-pitondram-panjakana  iray, dia singa roa lehibe farafahakeliny no tsy maintsy dinihina ho an’i Madagasikara :

  • Madagasikara dia sokajiana ho Fanjakana-Firenena (Etat-Nation), na dia mbola iadiana hevitra ary izany famaritana izany. Raha eken’ny be sy ny maro ny maha-fanjakana mahaleo tena an’i Madagasikara dia somary mbola misy adi-hevitra ny maha-iray azy ary tokony laharam-pahamehana ny fametrahana ho Firenena iray azy. Lehibe izany fanamby izany satria ny mponina ao aminy dia misy foko maro izay samy hafa fiaviana : Austroneziana sy Afrika Atsinanana. Kanefa, rehefa nandeha ny fotoana, dia niha-niforona ny maha-firenena Malagasy iray azy ireo, izay miavaka amin’ny fananana tantara iombonana, ny fomba fiteny ofisialy (Malagasy) ary ny fomban-drazana iombonana. Indrisy fa matetika anefa dia io fahasamihafan’ireo foko ireo no ampiasain’ny mpanao politika sasany hahazoana fahefana.
  • Isaky ny misy fiovana fitondrana dia mandalo krizy politika izay miha mahery vaika i Madagasikara. Ireo fitondrana tetezamita nifandimby dia lasa fanomanana ny fifampizarana tombontsoa sy seza teo amin’ireo hery velona isan-karazany, ary lasa tsy nahazo lanja ny tombontsoan’ny Firenena. Mipetraka, araka izany, ny fanontaniana maro : Endrika Repoblika toy inona no mety amin’i Madagasikara? Ahoana no tokony hampiharana ny foto-kevitra Repoblikianina eo anivon’ny andrim-panjakana malagasy, na koa hoe : mifanaraka amin’ny kolontsaina politika malagasy ve ny demokrasia izay voizin’ny tandrefana?
L’attribut alt de cette image est vide, son nom de fichier est Capture2.png.

Batir la Republique (B.R.) dia naorin’i Andriamatoa Beboarimisa Ralava tamin’ny taona 2018 izay mifanandrify indrindra amin’ny faha-60 taona nijoroan’ny Repoblika Malagasy. Natsangana ny B.R. mba ho sehatra hanehoana sy handraisana ireo hevitra isan-karazany ary mba hahafahan’ny olom-pirenena mandray anjara amin’ny fanorenana Repoblika iombonan’ny Malagasy. Nandritra ny dimy taona nijoroany dia nampahatsiahy ny rehetra ny maha zava-dehibe ny fiverenana amin’ny fototra mampiray antsika dia ny Repoblika ny B.R. Bâtir la République dia toy ny laboratoara famolavolan-kevitra ka itondran’ny olona avy amin’ny fiaviana samihafa ny fahaiza-manaony mba hahatongavana amin’ny Repoblika sahaza ny Malagasy ary mitondra any amin’ny andrim-panjakana mifototra amin’ny soatoavina malagasy.

Ho fanamarihana ny faha-60 taona niorenan’ny Repoblika Malagasy dia nikarakara ny Herinandron’ny Repoblika ny B.R ny 14 hatramin’ny 20 oktobra 2018 tao amin’ny Gara Soarano. Nandritra izany Herinandron’ny Repoblika izany dia nanao fampiratiana maimaim-poana ho an’ny besinimaro ny B.R. Ireo sary naranty tamin’izany dia mirakitra tantara sy foto-kevitra nalain’Itompokolahy Dany Be, izay nanatri-maso ireo zava-niseho tamin’ny fivoaran’ny Repoblika nanomboka tamin’ny taona 1958. Ireo tanora sy zandriolona kosa dia nampiseho ny fahitany ny fiaraha-monina malagasy amin’izao fotoana izao: ireo  hetsi-panoherana ary koa ireo fanehoan-kevitra malaza amin’izao fotoana izao. Teo anilan’ity fahatsiarovana ity dia nanao adihevitra mikasika ireo lohahevitra fototra lehibe eo amin’ny fiaraha-monina i B.R. Iny andiany voalohany amin’ny adihevitra iny dia nitondra ny lohahevitra hoe: “ny Repoblika sy ny olom-pirenena” ka nisongadina ireto fanehoan-kevitra manaraka ireto:

  • Mila liana sy miditra amin’ny fanaovana politika ny olom-pirenena mba hahafahany mifidy ny solontena mety aminy amin’ny fahalalana feno ny zava-misy ;
  • Tsy maintsy mijery ny vitsy an’isa sy ny marefo ny Repoblika ;
  •  Ao amin’ny Repoblika iray, mitovy zo ny olom-pirenena, tsy mifidy foko na sokajy sosialy.

Manome lanja ihany koa ny fahefana ara-drazana ny Bâtir la Republique, ka dia nikarakara dinika momba izany koa : “Ny toeran’ny fahefana nentin-drazana ao amin’ny rafi-pitondrana repoblikanina” no nifanakalozana hevitra nandritra ny fankalazana ny faha-61 taonan’ny Repoblika tamin’ny taona faharoa nijoroan’ny B.R. Raha fintinina dia niombon-kevitra ireo mpandray anjara sy mpandaha-teny tamin’iny fihaonambe 2019 iny : tsy maintsy mametraka amin’ny toerana tokony hisy azy ny fahefana nentin-drazana ny Repoblika, koa anjarantsika ny mitady ny fomba sy endrika mety indrindra amin’izany ho an’ny firenentsika. 

Nanantitrantitra ny iray tamin’ireo mpandinika fa “tsy maintsy manangana ny Repoblika mifanaraka amin’ny kolotsainy ny  Malagasy mba ialana amin’ny krizy miverimberina teto amin’ny firenena tato anatin’ny folo taona farany”; ary “ny fampandrosoana an’i Madagasikara dia tsy hanomboka raha tsy ialoavan’ny fahafantarana ny kolontsaina izay mampiavaka ary mampiray ny Malagasy”.

Ny fivoriana sy adi-hevitra tamin’ny hetsika tao Fianarantsoa sy Mahajanga dia nitondra ny lohateny “Repoblika sy ny olom-pirenena”. Nasongadin’ireo mpandahateny ny anjara andraikitry ny olom-pirenena ao amin’ny Repoblika iray ary noresahina koa ny fanomezan-danja ny fametrahana sehatra fanehoan-kevitra mifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia. Ho an’ireo mpandray anjara ireo dia manomboka amin’ny olom-pirenena ny fanovana. Noresahin’izy ireo koa ny maha zava-dehibe ny fifampidinihana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ary indrindra ny tamberin’andraikitra tokony hananan’ireo mitondra eo anatrehan’ny vahoaka. Ireo hetsika ireo dia nampisongadina ny maha-zava-dehibe ny teknolojia toy ny tambazotra sosialy ary indrindra ny mpanao gazety amin’ny fandraisan’ny olom-pirenena anjara eo amin’ny fiainampirenena. Ireo mpanao gazety sy ireo tambazotra sosialy ireo dia manana toerana lehibe eo amin’ny fampiharana ny zo fototra amin’ny fahalalahana  maneho hevitra. Ankoatra izany, ao amin’ny Repoblika iray, ny lalàna dia manome fahafahana ny olom-pirenena tsirairay hanangana orinasa. Araka izany, tokony ampahafantarina ny olom-pirenena ny fisian’izany lalàna izany, ary amporisihana koa ny olom-pirenena hampiasa vola ary ny fanjakana dia tokony hanamora izany fa tsy hionona fotsiny amin’ny fitakiana hetra.

Noho ny fahatsapana ny maha-zava-dehibe ny anjara asan’ny ONG amin’ny fampivoarana ny toe-karena sy ny ara-tsosialy, dia nivoatra ho ONG ny Bâtir la République ny Jolay 2020. Nanomboka teo, ankoatry ny hetsika nataony miresaka ny tontolo ara-politika, dia nijery ny fomba hanampiana ny fiaraha-monina eny ifotony koa ny B.R.. Izany no natao mba hanatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo amin’ny alalan’ny fampivoarana ny tsenam-barotra ka hisian’ny fizarana tombony ara-drariny. Noho izany, ireo andiany roa farany tamin’ny hetsika isan-taona dia namaly ny fanontaniana hoe: “Ahoana no ahafahan’ny ONG mandray anjara amin’ny fanavaozana ny lafiny ara-toekarena eny ifotony sy isam-paritra”.

Fehiny, nandritra ny 5 taona nijoroany, ny hetsika notontosain’ny Batir la Republique dia nikendry ny fomba hanehoan’ny olom-pirenena hevitra afaka atolotra ho an’ny mpitondra sy ny mpanao lalàna. Ny B.R. dia sehatra misokatra ho an’ny olom-pirenena rehetra sy ireo karazan-kevitra rehetra. Ny amin’ny  taona ho avy dia mikasa ny hanamafy hatrany ny hevitra voaangona i B.R mba ho lavorary ny fitantanana ny firenena sy hanatsarana ny fomba fifampidinihana eto amin’ny firenena. Amin’ny maha-sehatra famolavolan-kevitra azy, ny hetsika manaraka dia nampifandray ireo lohahevitra nasionaly lehibe ireto :

  •  Ahoana ny fomba hampatanjaka ny andrim-panjakana ao amin’ny Repoblika : B.R dia miasa ho fanomanana ny fiavian’ny Repoblika fahadimy ka mandray ny hevitra sy hetahetan’ny olom-pirenena novolavolaina nandritra ny fifanakalozana sy fifampidinihana samihafa nokarakarainy. Ny B.R. dia mijoro ho mpanolo-kevitra amin’ny famolavolana izany ho Lalàm-panorenana vaovao izany, lalàm-panorena izay  tsy natao ho an’ny tombontsoan’ny vitsy an’isa na ho an’ny tombotsoan’ny filoha ihany. Ity lalàm-panorenana ity dia ho tohanan’ny andrim-panjakana matanjaka sy mirindra ao amin’ny Repoblika mahay mitantana mandamina ny disadisa misy eo amin’ny fiarahamonina. Etsy ankilany, io lalam-panorenana vaovao io dia mametra ny fitoam-piasan’ny filohampirenana ho 7 taona tsy azo avaoizina mba ialana amin’ireo  krizy mifanesy, hamporisihana ny fisandratan’ireo solofo ara-politika.
  • Ahoana ny fomba hanatsarana ny fifampiresahana eo amin’ny mpitondra sy ny olom-pirenena ary ny fampiroboroboana ny tamberin’andraikitra ny mpitondra. Zava-dehibe ho an’ny B.R ny fifandanjan’ny andrim-panjakana. Araka izany, ny B.R. dia hanolo-kevitra hanatsarana ny fomba hifampifehezan’ireo andrim-panjakana, hanatsarana ny tamberin’andraikitra ary indrindra ny fandraisana anjaran’ny daholobe amin’ireo dinika ara-politika.
  • Amin’ny alalan’ny hetsika ataony, ny B.R. dia handray anjara amin’ny fitomboan’ny toekaren’ny firenena, izay fepetra ilaina amin’ny fampihenana ny fahantrana. Na izany aza, izany fitomboana ara-toekarena izany dia tsy afaka miroborobo raha tsy manjaka ny filaminana, ny fitoniana ary ny fitantanana tsara. Araka izany, miankina amin’ireo andrim-panjakana matanjaka voalaza etsy ambony io ezaka io.

Ny Bâtir la République dia maneho fisaorana ho an’ireo mpizaika sy mpandaha-teny ary ireo mpikambana ao aminy nizarana ny hazavana nananany nandritra ny 5 taona nijoroany. Tsaroana manokana Itompokolahy Dany Be, mpaka sary ary Itompokolahy Vahömbey Rabearison, Injeniera ara-kolontsaina sy Mpanandro, nampiranty sary ary koa mpandaha-teny nandritra ny andiany faharoa amin’ny adihevitra nokarakarain’ny B.R.